Fandriampahalemana

Trafikana zava mahadomelina Rongony 14 gony tratra tao an-tranon'ilay ramatoa


  • Sabotsy 25 Aprily 2020

Ramatoa 44 taona no voasambotry ny polisy ao Toliara ny alakamisy 23 aprily lasa teo noho ny fitazomana rongony.

 

 

 

 

Taorian'ny angom-baovao azo mahakasika ny fisiana vehivavy iray nitondra rongony dia nanokatra fanadihadiana ny polisy nanamarina sy nikaroka ity lehilahy ity. Fantatra tamin'izany fa monina ao amin'ny fokontany Motombe Tanambao Toliara I ity vehivavy ity. Nidina teny an-toerana ireo polisy ka tra-tehaka tao an-tranony miaraka amin'ny gony miisa 14 feno rongony milanja 420 kilao,izy. Nentina namonjy kaomisaria avy hatrany ity vehivavy ity miaraka amin'ireo rongony tratra. Taorian'ny fanadihadihana natao taminy dia natolotra ny fitsarana izy. Nodorana avokoa ireo rongony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT