Trafikana zava mahadomelina

Nafenina tanatina gitara sy fitoeram-panafody ny rongony


  • Alakamisy 05 Oktobra 2023

Lehilahy roa 24 sy 36 taona no saron'ny Polisin'ny STUP Anosy teny Antanimenakely Ampitatafika sy teny amin'ny

tranon'ny mpianatra Ambatomaro ny 20 sy 03 Oktobra teo rehefa nikasa hanondrana zava-mahadomelina mahery vaika ho atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy. Rongony 1kg sy 200g ary Opium 287g sy Amphétamines 363g no tratra teny amin'izy ireo. Nafeniny tao anaty gitara sy fitoeram-panafody kalsioma Masy izany. Olona handeha ho any Maorisy no saika hampitondrain’izy roalahy ireto entana ireto ka nahatsikaritra ireo zavatra tao anaty fonosana ka nampandre avy hatrany ny Polisy. Rehefa natao ny angom-baovao, napetraka ny velam-pandrika rehetra dia tratran'ny Polisin' ny Stup teny amin’ireo toerana voalaza etsy ambony ireo izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly Alarobia 04 oktobra moa ny raharaha.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy saika hanondrana zava-mahadomelina atsy amin’ny Nosy rahavavy Maorisy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT