Fandriampahalemana

Trafikana zava-mahadomelina “Cocaïne de base” 600 kg no saron’ny zandary


  • Talata 23 Novambra 2021

Azo sokajiana ho fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “cocaïne” betsaka indrindra ity 600 kg sarona tany amin’ny Faritra Antsinanana ity.

Ny volana Aogositra no voalaza fa nahazo vaovao mari-pototra momba ny fisiana siramamy mampiahiahy ny avy ao amin’ny Zandarimaria Faritra Atsinanana. Niroso avy hatrany tamin'ny fikarohana rehetra, ka ny 03 novambra 2021 no sarona ireo gony miisa 18 izay nisy siramamy sy zava-mahadomelina mahery vaika na cocaïne milanja 600 kg, raha ny fampitam-baovao ofisialin’ny zandarimariam-pirenena omaly alatsinainy 22 novambra. Rehefa natao ny fanamarinana dia fantatra fa "cocaïne de base" ireto sarona ireto. Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina ireo zandary nisahana ny famotorana ka olona iray izay fantatra fa mpiray petsapeta amin'io raharaha io no voasambotra ka naiditra am-ponja vonjimaika rehefa natolotra ny Fitsaràna. Mbola karohina kosa ny namany izay eritreretina ho tena atidoha nikotrika ity trafika ity. Niarahan’ny Zandarimaria Faritra Atsinanana sy ny Sampana fikarohana heloka bevava Antananarivo moa ny fanadihadiana. « Misy ny fiaraha-miasa amin'ny Mpitandro filaminana frantsay sy amerikana amin’ny fanadihadiana sy fikarohana momba ity raharaha ity, satria fantatra fa mandalo fotsiny eto Madagasikara ireto zava-mahadomelina ireto fa efa fantatra ny toerana saika handefasana azy », hoy Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria (SEG). Voalaza moa hatreto, fa avy any Amerika Latina saika halefa any Eoropa ireto zava-mahadomelina mahery vaika ireto, fa nampandalovina teto Madagasikara, izay maneho fa toa efa lasa toerana ifamezivezen’ny trafikana zava-mahadomelona i Madagasikara. Mandray anjara mavitrika amin’ny ady amin’ny fivezivezen'ny zava-mahadomelina mahery vaika ny firenena Malagasy, hoy ihany ny SEG, ary koa misy hifandraisan'ny raharaha toa izao amin'ny famotsiam-bola sy famatsiam-bolan'ireo mpampihorohoro iraisam-pirenena itony trafika itony, ary ny Zandarimaria dia anisan'ny manao ezaka manokana amin'izany ady izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT