Trafikana voamaso

Lehilahy 7 voasambotra tao Ihosy


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Tratra ireo lehilahy miisa 7 mpanao trafikana voamaso tany amin’ny distrikan’Ihosy.

Loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka any an-toerana fa misy andian’olona mitady mpividy voamaso mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy. Ny 10 Jona maraina teo rehefa tafapetraka ny paikady hahafahana misambotra ireo andian’olona ireo dia tratra avokoa izy fitolahy tompon’antoka tamin’izany ka 24 taona ny zandriny indrindra raha 35 taona no zokiny indrindra. Nahatratrarana voamaso miisa 02 teny amin’izy ireo nandritra ny fisamborana. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity ka ny Sampandraharam-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Ihorombe (SRPJ) no mandray an-tanana izany.
Pati
Legende : Ireto izy fitolahy mpanao trafikana voamaso !

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT