Efa-dahy sy roa vavy no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny Commissariat Central Tanjombato teny Soavina Atsimondrano ny sabotsy 2 desambra 2017 teo, tokony ho tamin'ny 2 ora sy sasany hariva niaraka tamin'ny taolam-paty miisa 250 izay milanja 35 kilao.
Ny 27 novambra lasa teo dia nahazo vaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo ny polisy fa misy olona mitondra taolam-paty amin'iny faritra Soavina sy Bevalala iny. Nanomboka teo dia nanao ny andraikiny ny polisy ka nanao ny fikarohana. Fantatra fa handalo eny Soavina ireo olona mitondra taolampaty ireo ka efa niatrana teny ny polisy. Rehefa nasaina nijanona anefa ireo fiara karetsaka roa nifanaraka dia tsy nety fa vao mainka nirifatra na dia efa nanapoahana basy aza. Voatery nanenjika ny polisy ka tsy lasa lavitra dia tratra izy ireo. Nandritra ny famotorana natao azy ireo no nahalalana fa fasana iray any Soavinarivo, fokontany Ananamanga, kaominin’ Ambatomanga, distrikan'Arivonimamo, no novakian'izy ireo ka nahazoana ireo taolan-dava ireo. Ny roalahy izay mipetraka any an-toerana no nanatanteraka ny vaky fasana ary nitondra izany tamin'ny bisikileta hatreo Mahitsy. Nampiarahina tamin'ny arina fandrehitra indray izany avy eo ka nentina taksiborosy. Tetsy amin'ny Shell Ampasika indray izy ireo no nalain'ireto fiarakaretsaka ireto ary saika haterina any Soavina. Nilaza ihany koa izy ireo fa hamidy 500 000 ariary amin'ny teratany sinoa ny 1 kilao amin'ireo taolana ireo. Marihina fa misy naman'izy ireo roalahy hafa izay tena atidoha amin'ny famarotana ireto taolana ireto mbola karohin'ny polisy. Hatolotra ny fampanoavana anio ny raharaha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.