Fandriampahalemana

Trafikana rongony Telolahy indray no nampidirina am-ponja tany Ambanja


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy avy ao amin'ny CSP Ambanja ny talata faha 31 martsa teo noho ny fitondrana rongony milanja 102 kilao.

 

 

 

Nandritra ny fisafoana nataon'ny Polisy tao antampon-tananan' Ambanja no nahatsikaritra lehilahy miisa 03 nitondra entana nampiahiahy tamina gony ny Polisy. Nosavaina avy hatrany ireo entana ireo ka rongony milanja 102 kilao no hita tao. Nentina namonjy birao avy hatrany ireo lehilahy miisa 03 ireo nanaovana fanadihadiana. Fantatra fa rongony saika hamidy ao an-toerana ihany ireto tra-tehaky ny polisy ireto. Nogiazana avy hatrany ireo rongony milanja 102 kilao ireo ka rehefa vita ny famotorana natao tamin'ireo lehilahy miisa 3 ireo ny 01 aprily 2020 dia nodorana avokoa ireo rongony. Izy telolahy kosa dia naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT