Fandriampahalemana

Trafikana rongony tao Ihosy Zandary no atidoha ?


  • Alakamisy 15 Jona 2017

Rongony 20 gony no indray saron’ny polisy tao an-tampon-tanànan’i Ihosy tamin’ity herinandro ity.

Ny zava-doza sy mahasadaikatra dia fiara tsy mataho-dalana marika Hardbody miloko fotsy, izay mitondra ny laharan’ny zandarimariam-pirenena no nahasaronana azy io. Laharana Z 5160 no misoratra amin’io  fiara io, ary voalaza fa an’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Ambovombe Androy. Raha ny vaovao avy any an-toerana, nilaza ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena fa ao Ambovombe Androy, ao amin’ny prefektiora io fiara laharana Z 5160 io amin’izao fotoana fa tsy sarona any Ihosy velively. Laharana sandoka ary zandary tsipika 4 nambara fa sandoka ihany koa no voalaza fa nahavita izao heloka izao. Afaka ny hanaporofo mazava ve ny zandarimariam-pirenena fa tsy azy tokoa ity fiara sarona ity, ka haseho mazava ho hitam-bahoaka ny fiara iray voalaza fa tena izy ary alahatra amin’ity iray ambara ho hosoka ity ? Hafahafa ihany ity zava-miseho ity, ary mahagaga ihany no tsy hahafantaran’ny zandarimaria fa misy fiara sy zandary sandoka miriaria, kanefa tokony hifankalala tsara ny zandary mifanakaiky fari-piadidiana ary mifanome vaovao eo amin’ny asany. Toa mampiahiahy tanteraka ny zava-misy, ary mety hisy ny fanarontsaronana ny tena marina mba hisorohana ny fahafaham-barakan’ny mpitandro ny filaminana. Efa mirongatra ny tsy fandriampahalemana ary matetika no handrenesana fa misy dian-tanan’ny mpitandro ny filaminana ny ankamaroany, ka tsy atao mahagaga raha miahiahy avy hatrany ny olona mainka fa mahita zavatra mivaingana sy heveriny ho zava-marina sy voaporofo tahaka izao. Andrasana izay ho tohin’ny tantara sy ny tena zava-marina ao ambadik’ity raharaha ity.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT