Trafikana rongony

Malagasy 5 voasambotra any Maorisy


  • Alarobia 10 Janoary 2024

Teratany Malagasy miisa 6 sy Maorisianina 4 no voasambotra niaraka tamin’ny rongony

mahery vaika 333kg sy lasantsy tamin’ny bidon maro be ny takarivan’ny alahady 7 janoary 2024 tao anatin’ny hetsika manokana nataon’ny NCG (National Coast Guard) na ny mpiandry sisin-tany atsy Maorisy. Notsinjaraina tamin’ny fonosana lehibe miisa 24 ireo ireo fonosana zava-mahadomelina. Voalaza fa efa nahazo loharanom-baovao nialoha mikasika ny fikasana hanondrana rongony ny polisy, ka nanao fanarahana an’ireo mpandray entana Maorisianina miisa 4 sy ireo Malagasy voalaza fa nitondra ny entana. Nandeha ny fitsirihana sy fanaraha-maso tany amin’ny fari-dranomasin’i Pointe-aux-Canoniers, ka rehefa niroso tamin’ny fisamborana, dia tsy nanaiky mora ireo mpanao trafika fa nanohitra. Vokany, naratra nandritra izany ny Commando miisa 3 avy amin’ny mpisambotra. Voatazona ary hanaovana fanadihadiana ao Maurice izy 10 lahy tratra tamin’ny trafika ireo. Henjana ny lalàna sy fanenjehana momba ny trafikana zava-mahadomelina ao amin’ny Nosy Maorisy, ary tsy vao sambany no nisy teratany avy amin’ny firenena hafa voasambotra sy migadra any ka anisany ireo mpanao trafika Malagasy. Malalaka ny fandraharahana ary mivelatra ny famoron’asa fa sarotiny dia sarotiny kosa amin’ny fiarovana ny fireneny, ka mahatratra am-polo taonany ny figadrana ho an’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina. Sarotiny ary hentitra amin’ny fiarovana ny fireneny ny olona, fa ny antsika toa ny miditra baranahiny raha tarafina tamin’ny fidiran’ny roro sy ireo zava-doza samihafa, ny mivoaka ihany koa mibanaka hatrany raha tarafina amin’ny trafikana harem-pirenena raha tsy hilaza afatsy ny boaderozy tany aloha, ny trafikana volamena ranolava, vatosoa, ny fivoahana antsokosoko makany ivelany,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT