Mahatratra 225 gony ireo rongony sarona tany amin’ny Làlam-pirenena fahafito (RN7) tamina trafika roa samihafa tany Mahaboboka Toliara sy Ihosy Faritra Ihorombe.
Milanja 2 380 kilao no saron'ny zandary, tao anaty “camion sémi-remorque” nitondra vato, ny sasakalin'ny 06 novambra 2020, tany Mahahaboboka/Toliary. Nikasa ho aty Antananarivo, raha avy any Betroka sy Bekily, no voasakan'ireo zandary notarihin'ny Commandant de compagnie Toliary teo amin'ny zana-tobim-paritr’i Mahaboboka teo RN7 PK 816, toerana izay mampitohy an'i Mahaboboka sy Vineta. Rehefa nosavaina ny tao anaty fiara dia korontam-bato no nameno azy. Nampiahiahy izany, satria nahoana no korontam-bato no handaniana solika avy any lavitra? Noesorina avy hatrany ireo vato ireo ka hay gony miisa 119 feno rongony izay nahatratra roa taonina sy 380kg be izao no tao ambadika. Olona roa no voasambotra dia i BLAKY sy i RABETSY izay nanokafana famotorana lalina. Nogiazana avy hatrany na ny fiara na ireo rongony.
“CAMION CITERNE” FENO RONGONY
Fiara fitaterana solika na “camion citerne” ihany koa no tratra nitondra rongony 106 gony tao Ihosy làlam-pirenena faha-7 ihany ny sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 4ora maraina. Olona 7 no voarohirohy, fa ny 2 no voalaza fa tena tompon’ny entana. Nanao famenoana entana tao atsinanan’Ihosy Renivohitra. Noho ny tratra dia, nilaza ny mpamily ilay fiarabe, fa aoriana ao ny tompony. Nandeha fiara tsy mataho-dàlana marika “pick-up” niloko fotsy, ka rehefa nandeha ny fisavana, dia teo no nahatrarana vola 12 tapitrisa, basy poleta sy bala 16, moara, laharana fiaram-panjakana na “plaque rouge”,… tao anatiny, hoy ny Fanazavan’ny Talem-paritry ny Polisim-pirenena any an-toerana. Efa fantatry ny Kaomisaria Ihosy ny iray amin’ireo tratra, izay efa voarohirohy amina aferana zava-mahadomelina. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.