Fandriampahalemana

Trafikana « héroïne » Voasambotra tao Vohémar i Sahad Mohamad


  • Talata 05 Septambra 2017

Efa-bolana no nikarohana an’i Sahad Mohamad no izao tratra izao. Mpanao trafikana zavamahadomelina mahery vaika toy ny « héroïne »

 

 ity tovolahy 30 taona ity, no anaty fikambanan-jiolahy ihany koa. Efa namoahan’ny polisy tao Antsiranana “Avis de recherche” izy tamin’ny volana aprily 2017. Vao nigadona tao Vohémar izy ny marainan’ny zoma 1 septambra 2017 tamin’ny 5ora maraina, dia voasambotry ny polisy ao an-toerana tarihin’ny Kaomisera Tombozafy.

Nentina nihazo an’Antsiranana omaly alatsinainy 4 septambra ny tenany ary hatolotra ny polisy any an-toerana izay misahana ny tohin’ny famotorana.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT