Fandriampahalemana

Trafikana fitaovam-piadiana Basy sy bala 446 saron’ny zandary


  • Talata 16 Mey 2017

Misy miketrika fanakorontanana ve fa tena mirongatra ny trafikana basy sy bala ? Olona 3 indray no saron’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny sampana fikarohana heloka- bevava etsy Fiadanana (SRC).

 

Teny Namontana no nanaovana velapan-drika ny lehilahy roa taorian’ny fampitam-baovao voarain’ny zandary ka voasambotra ny iray izay nahatrarana basy PA iray 22 long rifle tsy misy taratasy. Tafaporitsaka kosa ny namany iray ny 11 mey. Rehefa natao ny fanadihadiana azy dia nanoro ny namany roa hafa ka natao indray ny vela-pandrika ary dia tratra teny akaikin’ny Centre d’accueil Fiadanana izy ireo. Hita niaraka tamin’izy ireo ny bala marobe miisa 446 (Calibre 12) fampiasa amin’ny basyfitondra mihaza (FC) izay tsy misy taratasy mazava koa.Efa natolotra ny fampanoavana ny 15 mey 2017 ilay lehihy iray voalohany ka tafiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Anio talata kosa no hatolotra ny fampanoavana izy roalahy tratra niaraka tamin’ny bala. Manamarika ny zandarimariam-pirenena fa zava-dehibe ny fanomezam-baovao azy ireo vantany vao misy olona manao fihetsika hafahafa. Tombontsoa lehibe ho an’ny rehetra ny fahafahana misambotra avy hatrany ireo mpanao trafikana fitaovam-piadiana izay mamatsy ireo jiolahy na eto an-drenivohitra na any ambanivohitra. Efa tena mazava izany aloha izao fa misy mampiditra basy sy bala eto ary misy mpivarotra sy mpividy.

RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabĂ´tazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT