Fandriampahalemana

Trafikana basy, asan-dahalo... Miaka-pofona ny Depiote Nicolas


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Mafampana ny toe-draharaha any Betroka. Vaky ny ady eo amin’ireo samy mpanao politika ao an-toerana. Nisy nanitsoka ampahibemaso ny tenany, nandritra ny fivorian’ny tompon’andraikitry ny filaminana natrehin’ny lehiben’ny Faritra Anôsy fa ny solombavambahoaka Randrianasolo Jean Nicolas no ao ambadik’izao tsy fandriampahalemana, sy mamatsy fitaovam-piadiana ireo dahalo mamono olona amin’iny Distrika iny.

Niaka-pofona ity olom-boafidy akaiky ny fitondrana ity, ka nanondro avy hatrany ny Ben’ny tanànan’i Betroka teo aloha ho “mpanely tsaho sy mpanendrikendrika”.Milaza ny “tsy hipetra-potsiny” manoloana izany ny tenany, fa “hametraka fitoriana ary koa hanao tatitra isan’ambaratonga”. “Mitaky ny hamoahana porofo sy ny dosie mikasika izany fanasoketana azy izany” ihany koa ny Depiote Randrianasolo Nicolas. Etsy an-kilan’izay dia nodoran’ny mpitandro ny filaminana ny tanànan’Ambaro, fokontany Bema, kaominina Kelivaho ao amin’ity distrikan’i Betroka ity vokatry ny fampiharana ny dinan’i Mangoky amin’ny asan-dahalo. Vahoaka maro no traboina tsy manan-kialofana tsy manan-koraisina, ankoatra ireo nosamborina. Manamafy izany ilay mpanakanto malaza D’Gary, ity farany, izay tsy nanafina ny alahelony, nilaza fa “Antsakabary bis no mitranga”. “Manangona izay voatsirambin’ny tanana izahay izao, hanampiana ireo traboina ireo”, hoy izy manohy ny fanazavany sady miantso ny mpitondra handray andraikitra. 

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT