Trafika tsy manam-pahataperana

Sinoa 3 sarona teny Ivato niaraka tamin’ny sokatra 105


  • Alarobia 15 Janoary 2025

Zana-tsokatra miisa 105 saika ahondrana an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpiasan’ny

Fadintseranana omaly talala 14 janoary 2025 tao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Mpandeha teratany sinoa telo mirahalahy no nitondra ireto sokatra ireto raha andeha hiondrana tamin’ny sidina ET 852 Ethiopian Airlines manadalo ao Addis-Abeba ho any Shangai. Tratra teo amin’ny fandalovana scanner ireto biby saika ahondrana ireto. Mitohy izany ny fandripahana harena voajanahary, mandeha hatrany ny trafika samihafa ka na efa misy aza ireo fahatrarana maromaro nialohan’izao dia mitohy ny afera maloto. Efa manodidina ny 1500 izany ny sokatra tratra tao anatin’ny iray volana. Hatrany anaty valan-javaboahary misy mandroba toy ny sokatra am-polony tao Tsimbazaza ny volana oktobra izay tsy hita intsony izay tena tohiny sy niafarany. Ny tato ho ato dia ny fahatrarana Depiote iray sy ny ekipany niaraka tamin’ny sokatra 112 teny Antehiroka, ny teratany Tanzanianina nahatrarana 805 tany Mahajanga, lehilahy iray nahasaronan’ny Madagascar National Parc sokatra 68 tany Vohimena Tsihombe, dia io indray koa misy sinoa nahatrarana 105,… Tsy mety tapitra ny fandrobana harem-pirenena eto izay ahiana ny fisiana tsikombakomba avo lenta samihafa. Tsy mahomby ny fiarovana ireo harena voajanahary !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT