Fandriampahalemana

Trafika tao Antalaha Lavanila 11 lasaka sy jirofo 50kg sarona


  • Alarobia 01 Desambra 2021

Tratran’ny zandary tao Ambinany, Antalaha, ny sambo haingam-pandeha mitondra lavanila efa voakarakara 11 lasaka sy jirofo 50 kilao amin'ny andro alina afak’omaly 29 novambra,

 raha ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana omaly. Tsy manana an-tontan-taratasy fanamarinana ny tompony, ary tsy nandoha ny tamberim-bidy ho an’ny kaominina. Nogiazana ao amin’ny biraon’ny zandary ao Antalaha ny vokatra, notazonina ny tompony, tsy mahazo mihetsika ny sambo haingam-pandeha, ary mitohy ny fanadihadiana amin'ny fihavian'ireto lavanila sy jirofo nentina tamin'ny andro alina ireto. Misy hatrany ny fahasaronana lavanila tsy ara-dalàna satria nialohan’ity dia nisy ilay milanja 7,695 taonina efa voakarakara niampy lelavola 102.420.000 Ariary sarona teny Ankadifotsy Befelatanana ny 10 novambra teo. Raha ny tatitra nataon’ny zandary dia nanitrikitrika izy ireo fa taratasy fahafahana mitondra na “autorisation de transfert” ihany no nisy, ary samy tsy misy taratasy ara-dalàna na ny lavanila na ny vola, ary tsy manana fahazoan-dàlana ara-dalàna hanao fampiasam-bola na “investissement” eto Madagasikara ilay vahiny teratany Albanianina voalaza fa tompon’ireto lavanila nosamborina niaraka tamina teratany Malagasy iray. Ny 17 novambra rehefa niakatra fampanoavana anefa dia afaka vonjimaika ilay karana iray sy Malagasy iray voasambotra ary tsy nisy tohiny intsony ny raharaha, fa dia nalamindamina mangingina tao izany.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT