Trafika sy varotra zava-mahadomelina

"Haschisch" 3kg sasany sarona tao Nosy Be


  • Talata 19 Martsa 2024

Tambazotra mpivarotra sy mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery

vaika antsoina hoe haschisch no tratra tao Djamanjary Nosy Be ny herinandro teo, araka ny tatitry ofisialin'ny mpitandro ny filaminana. Miisa 7 izy ka teratany Malagasy ny 6 ary teratany Maorisianina kosa ny iray izay vehivavy sambotra taman'izay. Zava-mahadomelina mahery vaika sy anisan'ny lafo satria 4 000 hatramin'ny 4 500 Euros no hividianana azy 01 kilao, ary lafo 60.000 hatramin'ny 90 000Ar no hivarotana ny iray Gramme (1g) ao Nosy Be araka ny vaovao azo. 3kg sasany teo anefa no tratra. Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ireo mpitandro ny filaminana amin'ny ady sy fisoroana ary fandravana ireo tambazotra, fa indrindra ny fandikan-dalana izay manimba fiarahamonina ary ady amin'ny fiparitahan'ireo zava-mahadomelina satria anisany mamotiky ireo tanora, hoy Chef d'escadron RACHID Amad Zakaria, Commandant de compagnie territoriale de la gendarmerie nationale de Nosy Be. Tsy sasatra manentana vahoaka ireo mpitandro ny filaminana mba hanome vaovao marina sy ara-potoana mba afahana manambotra ireo mpanao asa ratsy. Manao ranolava ny fisiana fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika satria vao tsy ampy iray volana ihany koa izay no nisian'ny vahatratrana zava-mahadomelina mahery vaika mitenati-bidy 15 miliara Ar. Miharihary hatrany ihany koa ilay fanasokajiana fa isan'ny "plaque tournante" na ivo lehibe hihodonan'ny trafikana drogy i Madagasikara. I Nosy Be manokana, ankoatry ny toerana ara-pizahantany manintona vahiny, dia betsaka ihany koa ny endrika trafika mety hitranga ary betsaka no niseho: voalamena, zava-mahadomelina, eny fa hatramin'ny fiondranana an-tsokosokon'ny olombelona.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT