Fandriampahalemana

Trafika sy fanamboarana basy Afera tena mandeha eto Madagasikara


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Ny 1 aogositra hatramin’ny 31 oktobra 2017 dia 47 isa no fitaovam-piadiana azo (basy lava sy basy fohy) misy ny basina zandary, miaramila,

 polisy satria rehefa misy ny fifandonana ka misy ny mpitandro ny filaminana maty dia alain’ny jiolahy sy ny dahalo ny fitaovam-piadiana. Maro be koa ny basy niparitaka noho ny krizy nisy teto. Mbola hitombo io isa io satria misy ny basy hafa efa tratra saingy noho ny maha saropady ny tohin’ny fanadihadiana dia tsy azo ampitaina aloha ny vaovao momba azy ireo. Misy ny fanadihadiana mbola mandeha amin’izao fotoana, araka ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Misy olona tena mahay manamboatra basy eto, misy koa ny mivarotra sy manaparitaka. Matoa misy io tambajotra io dia miakatra ambony ny filàna eo amin’ny tsena. Sesilany ny fahatrarana basy tsy ara-dalàna tato ho ato. Basy miisa 9 sy bala miisa 24 sy kojakoja maro hafa fanamboarana basy no saron’ny zandarimariam-pirenena ny 4 novambra 2017 tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva tao Ambodisatrana, distrikan’i Sambava. Lehilahy miisa 3 no nosamborina ka nanaovana fanadihadiana. Re fa nisy olona manamboatra sy mitazona basy tsy ara-dalàna ao an-tampon-tanànan’i Sambava. Niroso tamin’ny fikarohana avy hatrany ireo zandary. Nosavana ny tranon’ireo olona nahiahiana ka sarona tao ireo fitaovam-piadiana voatanisa ireo. Voasambotra ireo olona 3 tao an-trano. Basy lava (FC) miisa 3 ary basy fohy (PA) miisa 6 miaraka amin’ny bala miisa 24 (ny 13 vodim-bala) ireo tratra ireo, ka nogiazan’ny zandary avy ao amin’ny GAPJ SAVA sy ny Kaompania Sambava, izay manao ny fanadihadiana. Mitohy koa ny fikarohana ireo izay mbola mety ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo. Tsy ny fiatrehana ny asan-jiolahy ihany tsy akory no asa ataon’ny zandarimaria, fa ny fisorohana ny mety hitrangan’ny asan-jiolahy ihany koa, toy izao natao tany Sambava izao.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT