TOVOVAVY VOAOLANA

TAO VAVATENINA


  • Zoma 11 Septambra 2026

Mandoa ra, simba tanteraka...votsotra ilay mpanolana

Tovovavy kely iray vao 15 taona monja antsoina hoe : Vanessa no fantatra fa nisy nanolana tany Fiadanana, distrikan'i Vavatenina herinandro maromaro lasa izay. Nitory ireo Ray aman-dReniny ka niakatra juge d'instruction ny raharaha ary nampidirina am-ponja vonjimaika ilay mpanolana ny 04 Aogositra lasa teo. Nitohy ny 11 Aogositra teo ny fakana am-bavany ireo voakasika ka voahantso koa ilay voampanga hoy ny fitarainan'ireo fianakaviana. Nisy namadika anefa ny raharaha hoy ireto farany. Fanodinkodinana zaza tsy ampy taona no novoizin'ny sasany fa tsy resaka fanolanana narahina fandratrana niniana natao. Ny mahagaga sy mahataitra anay hoy hatrany ny fianakaviany dia votsotra ilay mpanolana.
RESY SY KIVY NY FIANAKAVIANA
Nitondra takaitra maro anefa i Vanessa toy ny lafiny ara-tsaina, indrindra ny ara-pahasalamana. Sady mikohoka mantsy izy no sempotra. Mandoa ra vokatr'izany i Vanessa. Misy rà koa fivalanany raha mbola misy marary noho ny vono sy ny fanolanana ary ny fanendahana nanjo azy ny vatany. Karazan'aretina maro no mahazo ilay tovovavy kely ka ilana analizy maika toy ny lésion grave du cou, du larynx et des vaisseaux sanguins , dysphagie, infection sexuelle,anomalie au sein de l'appareil génital hoy ny fitarainan'ny fianakaviany. Mba ampio izahay Tompoko hoy ireto farany fa tena mañana ny maratra no sady afa-baraka no mbola lany harena sy hiharan 'ny tsindry ihany koa na kolikoly avo lenta. Ny 038 10 905 59 sy ny 034 47 366 31 moa no laharan-tarobia hahafahana mifandray amin'ny fianakavian'ilay tovovavy kely.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao ny takaitra ratsy mahazo ilay zaza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT