TOVOVAVY SAIKA NALAINA MASO

Nofirain'ireo jiolahy, rotidrotika ny endriny


  • Alakamisy 21 Aogositra 2025

Zava-doza no nitranga tany amin'ny kaominina ambanivohitr'i Fotivolo,

distrikan'Ankazoabo afak'omaly Alatsinainy 18 Aogositra. Tovovavy kely iray vao 13 taona monja no nokasain'ireo jiolahy nalaina voamaso mba hamidiny. Talohan'izany anefa dia notafihin'ireo jiolahy izy. Norasarasain'izy ireo ny tarehiny....hany ka rotidrotika tanteraka. Ny hikiakany no nahafantaran'ny manodidina fa nisy nanafika izy, antony nahavotra ny ainy sy tsy nahalasanan'ireo jiolahy ny voamasony roa. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity tovovavy kely ity, raha araka ny vaovao farany azo. Mbola an-dalam-pikarohana ireo nahavanon-doza kosa ny mpitandro ny filaminana.
Nangonin'i Pati
Légende : Potipotika sy noravaravan'ireo dahalo tahaka izao ny endrik'ilay zazavavy kely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT