Fandriampahalemana

Tovovavy hita faty tao anaty hotely Naolana avy eo notsatotsatohana ny antsy


  • Zoma 24 Novambra 2017

Hita faty tao amin’ny Hotely Violetta Ambositra Rafitoharimaka Rosalie na Tsiory 24 taona, omaly alakamisy, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina.

 

 Maty tamin’ny fomba feno habibiana izy satria naolana sy novonoina. Dian’antsy maro no hita tamin’ny vatany raha ny fampitam-baovao any an-toerana. 2 teo amin’ny lohany, 1 teo amin’ny tendany, 7 teo amin’ny kibony ary 1 teo amin’ny tongony. Tsy mponina any Ambositra izy fa niasa nanao mpandray olona ( Receptionniste) tao amin’io hotely io no anton-diany tany. Mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo Antananarivo i Tsiory, monina eny Imerintsiatosika. Noho ny fiatoan’ny fianarana vokatry ny pesta sy ny fiandrasana ny fanadinana dia nanao “travail de vacance” na asa atao amin’ny fialantsasatra izy. Tsy fantatra mazava aloha izay tena tompon’antoka tamin’ny fanolanana niarafara tamin’ny fanalana ny ainy, izay azo heverina ho olona fantany na koa mety tadidiny ny endriny. Omaly ihany dia efa nandray an-tanana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana. Nofehezina avy hatrany ny fifamezivezena tao anatin’ny hotely ary mandeha ny fikarohana an’ireo ahiana ho tompon’antoka. Tsy mbola nisy ny vaovao ofisialy azo momba ny fisian’ny mangirana hahafantarana ireo mpanao ratsy hatreto. Maro ny mety ho lalana hahafahana mitady ny marina momba ity raharaha ity, toy ny fanadihadiana ny olona nifanerasera taminy na nivantana na an-tariby, ireo nivahiny tao amin’ny hotely niasany. Ny hirariana dia ho tratra soa aman-tsara ireo tsy mataho-tody, ary hizaka ny sazy henjana mifandraika amin’ny habibiana tsy roa aman-tany nataony.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT