Tovovavy 20 taona hita faty teny Tanjombato

« Tsy mpivaro-tena ny havanay, ahiana ho niniana novonoina »


  • Alarobia 28 Mey 2025

Nisehoan’ny zava-doza indray ny faritra Tanjombato, raha hita faty teny amin’ny Barrage

ilay tovovavy antsoina hoe RAZANAJOELINA Lydia, 20 taona, ny marainan’ny alatsinainy teo. Araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia tsy fahafatesana tsotra no nahazo an’ity tanora ity fa famonoana olona niniana natao. Nilaza tamin-katezerana sy alahelo tanteraka ny fianakaviana fa tsy mpivaro-tena tahaka araka ny niely tamin’ny tsaho eny anivon’ny fiarahamonina sy tambajotran-tserahsera ilay zanak’izy ireo. “Zanaka nitrebona sy nanana hoaviny tsara i Lydia. Tsy mpivaro-tena izy. Tsy rariny ny fanasoketana ataon’ny olona amin’izao tranga mampalahelo izao,” hoy izy ireo. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviana, dia niala tao an-trano ny alahady atoandro i Lydia ary nilaza fa hihaona amin’ny tovolahy sakaizany. Tsy tafaverina an-trano anefa izy. Niezaka niantso azy ny fianakaviany tamin’ny 7 ora hariva, saingy maty ny findainy. Ny ampitso vao nisy nahita ny vatany efa vata mangatsiaka teny amin’ny faritra ny « Barrage » teny Tanjombato. Miandry ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fizahana avy amin’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Efa manomboka mandeha ny fanadihadiana amin’ny antony nahafaty sy ny olona farany niaraka taminy. Ahiana ho tratry ny famonoana niniana natao ity tovavy ity, raha ny fanamarihana.
Asminah Randriamanjara (Mpiana-draharaha)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT