Fandriampahalemana

Tovolahy roa tratra nangalatra trondro 40 kg Nosamborina ilay lehilahy saika hanome vola hanavotana azy ireo


  • Talata 18 Jolay 2023

Lasa any amin’ny fangalarana trondro ihany koa ny ankamaroan’ireo mpanao ratsy amin’izao.

Efa tafakatra 20.000 Ar mantsy ny iray kilao amin’ny trondro amin’izao eny an-tsena izay tena volabe haingana tokoa ho an’ireo miompy azy. Tsy vitsy ireo mitily dobon’olona azo hangalarana fotsiny noho izany toy ny nitranga teny Andranosoa, Ambohimalaza 15 jolay lasa teo. Dobo miisa 8 no indray novakian’ireo tovolahy miisa roa an-tsokosoko ka nahazoany trondro milanja 40 kg. Raha vantany vao nahare izany anefa ny tovolahy iray hafa namany dia tonga nitondra vola 105.000 Ar ho famotsorana ireo mpangalatra ireo ka notazonina niaraka tamin'ny vola nentiny. Niakatra fitsarana omaly moa ny raharaha ka niaraka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa izy ireo.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT