Tovolahy Ranjanana sy tomady

Nanafika “cash point” tamin’ny basy kilalao


  • Talata 12 Desambra 2023

Tovolahy ranjanana sy azo lazaina ho tena tomady ara-batana no nanandrana namaky

toeram-panakalozam-bola na “cash point” tao Moramanga, teo am-pitana tobin-dasantsy iray eo amin’ny toerana antsoina hoe Camp de Marie, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Basy kilalao no nentiny nanaovana ny asa ratsiny, hoy ireo nanatri-maso ary dia nitambaran’ny fokonolona teo ny lehilahy rehefa tsikaritra fa basy tsy nipoaka ny teny an-tanany. Nosamborina izy, noho izany, ary nentina tany amin’ny tobin’ny zandary. Araka ny fanampim-baovao voaray hatrany moa dia voalaza fa manana anton’asa mahazatra azy ao an-toerana dia ny fanamboarana finday ity tovolahy nanao ny tsy fanaony ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT