Tovolahy iray no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Mangarivotra Manakara omaly maraina. Vao nivoaka ny fonja ny zoma 15 desambra teo noho ny asa ratsy efa fataony tany aloha izy, raha ny fampitam-vaovao.
Efa tanana zatra mitsotra ara-bakiteny angamba satria tsy vaovao amin’ny olona ao an-tanàna fa efa malaza ratsy amin’ny halatra, hany ka 72 ora monja taorian’ny nivoahany ny fonja, dia namerina ny asa ratsiny, saingy tratra. Nihatra ny fitsaram-bahoaka ka voadaroka izy, izay niteraka ny fahavakisan’ny lohany, ary nohetezana ihany koa ny ravin-tsofiny ilany. Tapitra noho ny ratra nahazo azy ny ainy. Efa nalain’ny fianakaviany tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be Manakara ny razana. Mandeha ihany koa ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana. Miha miverina sy miha mahery vaika indray ny resaka fitsaram-bahoaka. Ny olona ve no efa tofoky ny tsy fandriampahalemana ka mahavita manaotao foana ? Eo ihany koa anefa ny mety ho tsy fahatokisana intsony ny mpitondra fanjakana mahefa, toy ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsara. Tena inian’ny olona tsy raharahaina intsony fa heloka sy helohin’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka. Efa mitady ho kolontsaina raiki-tapisaka ny tsy mahatoky manampahefana sy ny aina solon’ny aina ary maso solon’ny maso. Tamin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ity no tena nampirongatra ny tsy fahatokisana mpitondra sy firongatry ny fitsaram-bahoaka amin’ny ankapobeny noho ny resaka kolikoly sy afera maloto. Toa hamaivanina ireny, indrindra fa olona ambony ao anaty fitondrana na ireo efa tena havanana amin’ny afera maloto no tra-tehaka ary maro ireo afera nanjavona amin’izao fotoana. Maro tamin’ireo raharaha fitsaram-bahoaka na fametavetana ny zon’olombelona teto amintsika no nangina tsy nisy tohiny, ka toy ny milaza amin’ny vahoaka fa azo atao sy tsy dia mampaninona ny fandinkan-dalàna matoa hamaivanina sy hampanginina ny raharaha. Mila tezaina hanara-dalàna ny vahoaka, fa ny tena goavana dia mila maneho fa tena miasa sy tsy mitanila ny mpitondra mba hatokisan’ny olona, raha tiana ny hahafoana io fitsaram-bahoaka sy fandikan-dalàna io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.