TOVOLAHY NAMONO NY RENINY

Naterina teny Tsiafahy omaly


  • Zoma 24 Janoary 2025

Omaly Alakamisy 23 Janoary no niakatra teo anivon’ny Fampanoavana etsy Anosy

ilay tovolahy nahavita namono nahafaty ny Reniny niteraka azy tetsy Anjezika Andavamamba noho ny fitiavana te-handova mialoha. Efa tamin’ny volana Jona taona 2024 io Reniny io no novonoiny, raha tsiahivina izay fantatra fa notsatotsatohany tamin’ny antsy. Nalevina tao an-trano ihany Ratompokovavy taorian’izay no sady tsy nofonosiny lamba akory, tranga hitan’ny mpitsabo nandritra ny famongorana ny razana tamin’ny datin’ny 18 Janoary teo. Tsy nisy alaharo moa fa avy hatrany dia nalefa naka saina eny Tsiafahy ny anaolahy mba hisaintsaina ny ratsy vitany. Nisy namany iray noraofina niaraka tamin’ity tovolahy ity ihany koa moa raha tsiahivina izay nokaramainy 200.000 Ar niady ny lavaka nandevenany an-dReniny. Efa voalevina any amin’ity toerana tokony hisy azy soa aman-tsara ny razana.
Pati
Legende : Izy roalahy avy natao fanadihadiana tetsy amin’ny Borigadin’ny zandarimariam-pirenena etsy Fiadanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT