Tovolahy maty voatifitra tao Antehiroka

Sangisangin’ny mpisakaiza no nahafaty


  • Alarobia 15 Mey 2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Antehiroka, ny alahady tolakandro teo, raha ny tsiahim-baovao voaray. Tsaho daholo, raha ny fanazavana, ny hoe ilay sinoa no nitifitra azy sy ilay hoe anadahin'ny vadin'io sinoa io ity tovolahy ity. Ny tena marina, araka ny fanadihadian'ny zandary, dia sakaizan'ilay ramatoa ratompokolahy izay nanamboatra trano tao amin'izy ireo ihany. Manana orinasa eo akaiky eo ilay sinoa ary tany am-piasàna izy tamin'io tolakandro io. Nisangisangy teo ambony fandriana ramatoa sy ilay tovolahy. Nalain-dramatoa tany amin'ny fitoerany ny basin'ilay sinoa vadiny ary nolalaoviny nisangisangiany an'ilay sakaizany teo am-pandriana. Nandeha ny vazivazy. "Tifiriko amin'ity ialahy an!". Kanjo tena lasa tokoa. Ilay basy efa nifahana no nolalaoviny. Voa teo amin'ny fony ilay tovolahy. Tsy tana ny ainy. Tazonina atao andrimaso ilay ramatoa sy ny vadiny. Ny tranon'izy ireo nopotehina sy norobain'ny fokonolona nentin'ny honohono. Na ilay basy aza tsy hita izay nanjavonany. Saika nodoran'izy ireo ny orinasan'ilay sinoa. Soa ihany fa voafehin'ny zandary ny toe-draharaha ary efa tamin'ny 2 ora sy sasany maraina vao nangiana ny tanàna, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanazavana voaray omaly. Sangisangin’ny mpisakaiza kosa no nahafaty.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT