Tovolahy lasa dahalo

Maromaro ireo antony


  • Zoma 24 Mey 2024

Lasa manao dahalo ireo tovolahy noho ny antony maromaro,

hoy ny fanazavana voaray teo anivon’ny fiadidiana ny zandarimaria. Antony iray ny hoe satria izy efa zanaka dahalo. Faharoa ny hoe lasan'ny dahalo ny ombiny dia mba maka koa izy. Mety koa hoe kamo hitana angady sy hifototra amin'ny asa fambolena. Misy koa ireo voaroakan'ny rainy fa tia toaka loatra. Eo koa ny fananana naman-dratsy. Tsy nanaiky azy ny tovovavy nilainy ka ny ombin'ny dadany no alainy. Ao ny fialonana fotsiny. Ao ny tezitra tamin'ny prezidan'ny fokontany fa nampanaoviny asa fiambenana. Te hitovy amin'ny hafa nefa tsy ampy ny enti-manana. Tsy te ho hendry loatra fa ny maditra no tian'ny tovovavy. Akaiky ny fety kanefa tsy manam-bola. Ny sasany manana fomba fijery hoe tsy mahafaty akory kay ilay migadra, hoy hatrany ny CIRGN Antananarivo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT