Tovolahy 26 taona maty voatifitra teo amin’ny fony

Sakoroka be teny Ambohibao, mifamahofaho ny raharaha


  • Talata 14 Mey 2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Miadampaonina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo afak’omaly Alahady 12 May tokony ho tamin’ny 04 ora hariva . Raha ny vaovao farany nandeha teny an-toerana mantsy dia voalaza fa tany an-tokontany nilalao daomy niaraka tamin’ny mpiasany indray ilay Sinoa nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Ilay vehivavy vadin’ity farany no nambarany fa nahakitika tsy nahy ilay basy ka nahafaty ny anadahiny. Tezitra noho ny famoahana ilay Sinoa ny vahoaka ka nandroba ny trano fonenan’ilay Sinoa izay fantatra fa mpanamboatra fanaka vita amin’ny melamine. Raha tsiahivina kely ny tantara dia Renim-pianakaviana iray ihany koa no nahitana ratra miisa 14 ny vatana raha nijery ny zava-misy teny an-toerana vokatry ny fipitihan’ny grenady nalefan’ny mpitandro ny filaminana. Zazamena vava iray ihany koa no nambarany fa sempotra rehefa nandeha ny baomba mandatsa-dranomaso nanaparitahana ireo fokonolona. Tsy niandry ela mantsy ireto farany fa saika hanao fitsaram-bahoaka raha nahita ilay tovolahy nentina niverina avy any amin’ny hopitaly efa tsy nisy fofon’aina intsony no sady tsy nisy mpanaraka. Andrasana araka izany izay hivoahan’ny tena marina mikasika ity raharaha ity izay miankina amin’ny fahendren’ny mpitandro ny filaminana be dia be tokoa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ny olona teny akaikin’ny tranon’ilay teratany Sinoa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT