Fandriampahalemana

Tovolahikely nalaina an-keriny Vola 10 tapitrisa ariary no tambiny


  • Talata 05 Mey 2020

Ny 17 aprily no nisy naka an-keriny ny tovolahikely antsoina hoe Bemaso tany Belo-Sur-Tsiribihinina.

 

 Olona 17 no naka an-keriny azy, ary nametraka laharana finday hahafahana miantso azy ireo. Omby 13 sy vola 7 hetsy no notakian’ireo olon-dratsy tamin’ny rainy ho tambin’ny famotsorana. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, saingy nananosarotra ny raharaha. Nisy ny fifanakalozana ka vola 10 tapitrisa ariary no niafaran’ny ady varotra namotsorana io tovolahy io. Vedety avy amin’ny BNGRC no nahafahana niampita ny reniranon’i Tsiribihina, ary nanao tan-tsoroka ny mpitandro ny filaminana. Mandeha ny fikarohana ireo olon-dratsy. Inona no mety mahasamihafa ny fanomezan’ny fanjakana tambiny 200 tapitrisa ariary ho an’izay mahita ny jiolahy naka an-keriny ilay karana Anil Karim sy ny hoe Malagasy no lasibatra? Mba ahoana itony Malagasy very 10 tapitrisa ariary nentiny nanavotana an-janany itony?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT