Fandriampahalemana

Tompon’andraikitry ny zandary tsy nahomby Andrasana ny fanapahan-kevitry ny SEG


  • Talata 09 Janoary 2018

Notontosaina omaly tetsy amin’ny toby Ratsimandrava Andrefanambohijanahary omaly ny lanonambe fifampiarahabana nahatratra ny taona ho an’ny zandarimariam-pirenena.

 

 Nilaza ny tomban’ezaky ny zava-bitan’ny zandary tamin’ny taon-dasa ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), ny Jeneraly Girard Randriamahavalisoa, tao anatin’ny kabariny ary nanambara ny tsy fahafahampony. Mbola nirongatra ny tsy fandriampahalemana ary mbola misy ny kolikoly, hoy izy. Efa nanambara izy fa tsy maintsy hoesorina amin’ny toerany ireo tompon’andraikitra tsy nahomby nanerana ny faritra. Andrasana anio ny fanapahan-kevitra raha ny tokony ho izy. Anio no hisy ny tatitra ofisialy sy ny famoahana ny tarehimarika rehetra etsy amin’ny toby Ratsimandrava hatrany. Mikasika ireo fianakaviamben’ny zandary traboina any Toamasina kosa izay misy fianakaviana miisa 15 sy toeram-piasana 2 rava kosa dia efa misy ny fepetra raisina, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT