Tompon'andraikitra ambonin'ny tafika

Nivory 2 andro, nomen'ny PM toromarika


  • Talata 19 Martsa 2024

Nifarana omaly ny fivorian'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika Malagasy,

ka nanatrika ny famaranana ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena. Fanamafisana orina ny fandriampahalemana efa misy sy manakaiky vahoaka ataon'ny Tafika malagasy, izay mitondra filaminana sy fampandrosoana no santionan'ireo toromarika hentitra nentin'ny Praiminisitra Lehiben'ny Goverinemanta NTSAY Christian, tamin'ireo tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny Tafika, namarana ny fivoriana notontosaina nandritra ny 2 andro, tao amin'ny CEMESS Soenierana, hoy ny tatitra. Maro amin'ireo Faritra mena nisian'ny fakana an-keriny sy halatr'omby no nambara fa efa voafehin'ny milamina amin'izao fotoana izao. Nankasitraka ny ezaka vitan'ny Tafika malagasy nametraka fitoniana, sy mbola manao ny ainy tsy ho zavatra hampandry fahalemana eto Madagasikara ny Praiminisitra, izay nanamafy hatrany ny lanjan'ny firaisankina eo amin'ireo samy mpitandro filaminana, hoy hatrany ny tatitra. Nitatitra ireo tomban'ezaka sady nanoritsoritra ireo paikady hanatratrarana ny fanamby ho an'ny Minisiteran'ny Foloalindahy kosa, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy. Araka izany dia hanatanteraka ny tsoa-kevitra nivoaka nandritra ity fivorian-dehibe ity avy ireo tompon'andraikitra ambony rehefa samy tafaverina any amin'ny toerany iasany avy. Na izany aza, azo lazaina ho betsaka ny ezaka andrasana amin'izy ireo manoloana ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy raha tsy hilaza afatsy ny fanafihana mitam-piadiana ranolava, vono olona mahatsiravina,... Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT