Fandriampahalemana

Toliara Tratra ireo jiolahy mpanafika cash point


  • Zoma 03 Aprily 2020

Lehilahy roa no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin'ny DRSP Atsimo andrefana ny talata faha 31 martsa teo tao amin'ny fokontany Besasavy

 

Maninday, kaominina ambanivohitra Mitsinjo Betanimena, distrikan'i Toliara faharoa rehefa avy nanao fanafihana mitam-piadiana tao an-toerana. Tokony ho tamin'ny 10 ora maraina no nahazo antso avy amin'ny fokonolona ny Polisy tao amin'ny FIP Toliara sy ny avy tao amin'ny Commissariat Central Toliara noho ny fisiana fanafihana mitam-piadiana ao amin'ny fokontanin'izy ireo ka "Cash point" iray no lasibatr'ireo jiolahy amin'izany. Tonga teny an-toerana avy hatrany moa ny Polisy saingy efa lasa nandositra ireo jiolahy ary vola mitentina 117.600 ariary sy finday miisa 06 no lasan'izy ireo. Raha ny fantatra nandritra ny fanadihadiana ny manodidina dia jiolahy miisa 2 no nanao ilay fanafihana ary samy nitondra basy izy ireo. Nanapoaka basy im-pito ihany koa ireto olon-dratsy ireto. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon'ny Polisin'ny FIP sy ny ampahan'ny fokonolona ka voasambotra tao amin'ny fokontany Ambolofoty ny iray tamin'ireo jiolahy, niaraka tamin'ireo vola sy finday vao avy norobainy. Nandritra ny fisavana azy dia nahitana basy poleta 01, tsisy bala teny aminy. Ny polisy avy ao amin'ny Commissariat Central sy ny ampahan'ny fokonolona kosa no nahasambotra ny iray tamin'ireo jiolahy ary mbola tratra teny aminy ny basy 1 tsisy bala ihany koa. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa basina mpitandro filaminana izay very tamin'ny taona 2017 ny iray tamin'ireo basy nampiasain'ireo jiolahy nandritra ny fanafihana. Noho ny ratra izay nahazo ireto jiolahy ireto nandritra ny fifanenjehany tamin'ny Polisy sy ny fokonolona dia nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo jiolahy voasambotra ireo. Mbola mitohy ny fanadihadiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT