Fandriampahalemana

TOLIARA RENIVOHITRA Jiolahy roa avy nanafika lavon’ny polisy


  • Talata 01 Aogositra 2023

Jiolahy miisa roa no indray lavon'ny balan'ny polisy miasa ao an-drenivohitr’i Toliara niaraka tamin'ny fitaovam-piadiana mahery

vaika rehefa avy nanafika tamina tokantrano iray tany an-toerana afak’omaly. Raha tsiahivina dia naharay antso tamin'ny olona tsara sitrapo ny teo anivon'ny kaomisarian’i Toliara mahakasika ny tranga fanafihana tao Sanfily ny 30 jolay lasa teo. Tokony ho tamin’ny 07 ora hariva sy 05 minitra no nitrangan’izany. Tsy niandry ela fa nidina ifotony avy hatrany ireto farany ka nifanojo tamin'ny jiolahy telo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Raikitra ny fifanenjehana nandritra izany ka ny roa tamin'izy ireo no lavon'ny balan'ny polisy, izay nahitàna basy vita gasy, raha tafatsoaka ny iray izay nitondra sabatra lava lela. Fantatra fa Ramatoa iray 64 taona no notafihin'ireto jiolahy ireto ka naratra mafy ity farany nandritra izany. Mitohy kosa ny fikarohana ny naman’izy roalahy efa maty ireto.
Pati
Legende: Anisan’ireo jiolahy mpanao fanafihana nikoizana tao Toliara !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT