TOLIARA

Mitohy indray ny halatra voamaso miharo vono olona


  • Zoma 02 Febroary 2024

Vehivavy iray manodidina ny 30 taona omaly Alakamisy 01 Febroary no hita

faty tao amin'ny fokontany Antaravay Salimo, distrikan’i Toliara II. Olona sendra nandalo no nahare feon-dalitra sy fofona hafahafa ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny fantatra dia noesorin'ireo olon-dratsy ny maso roan’ilay razana. Mbola nahitana tsatoka zava-maranitra ihany koa teo amin’ny tratrany. Raha araka ny fanazavan’ireo fianakaviana moa dia hivoaka hiantsena no nivoahan’ity vehivavy ity tao an-tokantranony kinanjo tsy niverina intsony izy. Tombanana ho teny an-dalana izy araka izany no nifanena tamin’ireo olon-dratsy. Na izany aza tsy nahitana taratra kosa ny razana fa voaolana raha mbola nahitana kojakojam-behivavy maro samihafa teny aminy. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.


Mihamafy indray izany ny trangana halatra voamaso raha efa somary nangingina tato ho ato. Tany aloha raha raha ireo varira no tena lasibatra dia amin’izao tsy mifidy hasiana ireo olon-dratsy. Mbola baraingo hatramin’izao ny hampiasana azy io hoe atao inona marina ? Hataon’ny dahalo ody gasy hanaovana masobe tsy mahita ve ? Vao tapa-bolana lasa no nisy andiana mpangalatra voamaso tratra, ka nilaza fa 100 ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa, saingy mbola petra-kevitra aloha no betsaka amin’ny mety hampiasana azy !
Pati
Legende : Ity ilay razana hita !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT