Fandriampahalemana

TOLIARA Maty voatifitry ny polisy ireo mpanafika « cash point »


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Omaly vao fantatra fa efa mpamerin-keloka ireo jiolahy mpanafika cash point ao Toliara. Andro atoandrobe nanahary indray mantsy izy

ireo omaly no nanao ny asa ratsy ka cash point iray no lasibatra tamin’izany izay nahazoany vola betsaka. Ny tompon’ity cash point ity mihitsy no nokendren’izy ireo, izay marihina fa mitazona ny vola rehetra. Nandeha avy hatrany anefa ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana ka raikitra ny fanenjehina ireo mpanao ratsy. Lavon’ny balan’ny Polisim-pirenena vokatr’izany ireo jiolahy roa ireo. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany moa dia cash point marobe no efa nahazoan’izy ireo vola nahafahany mivelona tato anatin’ny volana vitsy izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT