Fandriampahalemana

Toliara Maty voatifitry ilay jiolahy rain-dahiny


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Jiolahy rain-dahiny iray mpikambana ao amin'ny "5 bandes" ao Toliara no maty voatifitry ny hery vonjy taitran'ny Polisy omaly alahady 08 mey tokony ho tamin'ny 1 ora 30 minitra atoandro rehefa avy nanao ny asa ratsiny ka

 nifanenjika sy nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Fantatry ny mpitandro filaminana tany an-toerana fa misy fanafihana mitam-piadiana tao Samoty Lahy kaominina ambanivohitra Betsinjaky distrikan’i Toliara II. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny FIP ka niroso tamin'ny fisamborana ireo jiolahy. Vantany vao nahita ireo mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy dia nandositra ka ny iray tamin'izy ireo no naneho fanoherana noho ity farany mitana basy vita gasy. Lavon'ny Polisy ity jiolahy ity raha tafatsoaka kosa ireo namany.
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT