Fandriampahalemana

Toliara Maty voatifitra ilay jiolahy efa nokarohina fatratra


  • Zoma 11 Martsa 2022

Jiolahy iray, 28 taona, efa nokarohin’ny Polisy fatratra no lavon’ny Balan’ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Commissariat Central ao Toliara afak’omaly alarobia 09 martsa.

 Raha tsiahivina dia mihamaro hatrany ny fanafihana mitam-basy miseho ao Toliara tato ho ato ka nisy ireo andian-jiolahy efa voasambotra ary efa tafiditra am-ponja ankehitriny. Tsy mijanona anefa ny fikarohana ireo naman’izy ireo sy mpiray tsikombakomba aminy fa mitohy hatrany ny fikarohana. Afak’omaly Alarobia tokony ho tamin’ny 10 ora sasany alina ary dia nahazo vaovao ny Polisy mikasika ny fisiana jiolahy iray efa karohina mafy mihaodihaody eny amin’ny manodidina ny hotely “Amazone d’Amorondriake”. Tonga teny an-toerana avy hatrany arak’izany ny Polisy hisambotra azy saingy noho ny fanoherany dia voatery nitifitra ny Polisy. Maty noho ny ratra nahazo azy ity olon-dratsy ity. Marihina fa ankoatra ny maha olon-dratsy mpanao fanafihana mitam-piadiana zy dia tompon’antoka tamina fanafihana maro izy , no sady mbola mpamerin-keloka ihany koa satria dia efa nifonja noho ny resaka halatra sy fanafihana mitam-piadiana ihany koa.
Pati
Legende : Ity ilay ranamana efa namoy ny ainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT