Fandriampahalemana

Toliara Maty notifirin’ny jiolahy ilay mpivarotra nitondra vola be


  • Alatsinainy 19 Septambra 2022

Vehivavy mpanao mpandraharaha, mpivarotra mpamongady na "grossiste" iray no maty notifirin'ny jiolahy tao Betsingilo Toliara ny sabotsy teo tokony ho tamin'ny 6 ora sy sasany hariva.

Notifirin'izy ireo ity ramatoa ity ka vantany vao voa dia nalainy ny volany. 3 lahy manao saron-tava no voalaza fa tompon'antoka amin'izany, izay tafaporitsaka niaraka tamin'ny vola norobaina, izay tsy fantatra mazava ny totaliny. Tsy vao sambany amin'ny fanafihana mitam-basy namoizana ain'olona moa ity nitranga ity. Ny volana desambra 2021, ohatra, dia mpandraharaha sady mpitsabo vadina mpanao politika iray no nisy nanafika ka maty notifirina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT