TOLIARA II

Dahalo avy namaky vala, lavon’ny balan’ny polisy


  • Zoma 12 Janoary 2024

Nitrangana asan-dahalo tao amin'ny kaominina ambanivohitr’i Toliara II

ny Alarobia 10 janoary teo. Mbola teo am-pandroahana ireo omby hivoaka ny vala ireo dahalo no tsikaritry ny tompon'omby ka niantso Polisy avy hatrany ity farany. Tsy lasa lavitra akory ireo dahalo noho izany dia nifanehatra tamin'ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifandonana teo amin'ny dahalo sy ireo Polisy niaraka tamin'ny vahoaka. Vokany, dahalo iray no lavon'ny bala, tafatsoaka kosa ny namany. Tsy nisy naratra ny vahoaka mpanara-dia sy ny Polisy na izany aza. Efa tafaverina tamin'ny tompony moa ireo omby. Mbola mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy hafa.
Pati
Legende : Ity ilay dahalo namoy ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT