TOJO, JIOLAHY RAINDAHINY

Niafina tany ambony « plafond » sady nitifitra kinanjo voatifitra


  • Alarobia 11 Septambra 2024

Sendra ny nahay azy i Tojo, ilay jiolahy rain-dahiny nokarohina efa ela tany Ankazomiriotra Mandoto.

Afak’omaly 09 Septambra tokony ho tamin’ny 09 ora alina dia nahazo antso ny zandary tany an-toerana fa tonga tao an-tanana i Tojo ary fantatra ny trano misy azy.Poa toy izay dia vory ny ekipa. Zandary miisa 6 notarihin’ny lehibeny no indray nanatanteraka ny fisamborana azy.Voahodidina zandary sy tovolahy matanjaka ilay trano voalaza fa niafenany. Tsy afaka nivoaka intsony ny anaolahy vokatr’izany ka nisitrika tany ambony plafond sady namaly tamin'ny tifitra.Natao izay fomba rehetra nivoahany saingy tifitra ihany no setriny.Nipaika ny tamin'ny 1 ora sy 45 min ora voatery nitifitra koa ny zandary noho ny tahotra ny ain’izy ireo sy ny fokonolona. Nandriaka avy any ambony plafond ny ra, nandao ny tany i Tojo, afa-doza ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
Legende : Tratra teo amin’ny tena ainy i Tojo ka nanaraka hatramin’ny ainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT