Fandriampahalemana

Tojo fisavan’ny zandary Navelan’ireo jiolahy ny sakaosy feno basy


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Lehilahy telo no nandositra avy hatrany rehefa nifanena tamin’ny zandary avy ao amin’ny borigady Kianjandrakefona nanao fisafoana tao amin’ny tsenan’ny Fokontany Manaritsoa, Kaominina Mahasoa, distrikan’ Ambositra.

Navelany kosa ny sakaosiny, izay nentiny ka rehefa nosavana dia nahitana Basy Kalacknikov miisa 02 miaraka amin’ny bala miisa 44. Ny karam-panondron’ireo jiolahy izay tavela tao anatin’ilay kitapo no nahalalana ny momba azy ireo ka efa natao ny sava hao hikarohana azy ireo, ataon’ny zandarimariam-pirenena. Milaza kosa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, fa miaro hatrany ny mponina no asan’ny zandary, ka manentana hatrany hatrany izy ireo ny mba hifanomezan-tànana amin’ny fifanakalozam-baovao mba hisian’ny filaminana be be kokoa, indrindra any amin'iny faritra iny izay re fa mbola misy maromaro ireo basy very tamin'ny raharaha politika 2002 no any no nanitrihana azy. Tsy ny korontana politika ihany no mampiparitaka fitaovam-piadiana ho eny am-pelantanan’ny jiolahy, fa eo ihany koa ny mety ho firaisana tsikombakomba na ny fisian’ny manam-pahefana tsotr’izao mamatsy fitaovana. Malaza rahateo ny fisian’ny dahalo ambony latabatra, izay azo antoka ny fisiany, saingy mbola vitsy aloha no tratra. Isan’ny malaza, ohatra, ny ampamoaka efa nataona olom-panjakana ambony iray teto amintsika momba ny fisian’ny olom-boafidy iray any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy iny mamatsy bala sy basy ary vanja ny dahalo, ary efa nolazainy ny fomba fitondrana izany. Mba efa mandeha ve ny fanadihadiana mikasika ireny ampamoaka ireny sa dia antso an’efitra hatrany?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT