Tohin’ny raharaha cocaïne tao Nosy Be

Zandary 7 nidoboka any Tsiafahy, sivily 4 any Antanimora


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Nahatratra 15 ora ny fakana am-bavany ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha

fanodinkodinana zava-mahadomelina mahery vaika manodidina ny 200kg tao Nosy Be. Niditra teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) 67HA ny alatsinainy tamin’ny 3 ora tolakandro, ka omaly tamin’ny 6ora maraina vao vita, raha ny tatitra naparitaky ny fampahalalam-baovao. Miisa 14 ireo voarohirohy, ka nidoboka any am-ponja avokoa. Nalefa any Tsiafahy ny zandary miisa 7 izay ny commandant de compagnie an’ny zandary ao Nosibe Hell Ville sy ireo zandary 6, raha misy zandary iray hafa voalaza fa mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Hopitaly. Miisa 8 izany ireo zandary tafiditra amin’ity raharaha ity. Eny Antanimora ireo sivily 4 ka anisany ireo vehivavy miisa 2 nahatrarana ireo zava-mahadomelina ny 02 aogositra 2024. Andrasana izany ny fitsarana sy didy raikitra mikasika ity raharaha ity, izay toe-javatra anisan’ny manaratsy endrika ny mpitandro filaminana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT