Fandriampahalemana

Toeram-panofanana alika mpitsongo dia Nahazo fitaovana maro


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Notoloran'ny Jeneraly Bama Marima kaomandin'ireo vondron-kery voatokana "Commandement des Formations Spécialisées (CFS)"

 

 

 

ao Ivato fitaovana ho entina hampiofanana ireo alika ny ao amin'ny ivon-toerana manokana CRFDC. Omaly 27 May no nanatanterahana izany. Fitaovam-piofanana feno (Obstacles complets) sy "panneaux solaire" miisa 4 no natolotra ho an'ireo alika mpitsongo-dia miisa 29, izay tantanin'ireo Maître-chiens miisa 30 mandrafitra ny CRFDC. Tsara ho marihina fa ny alika mpitsongo dia manao fanazaran-tena isan’andro mba hanome vokatra tsara amin'ny asa izay hampandraiketina azy. Misy ny fisivanana, fiofanana ary fananadinana hataon'ireo alika vao azo lazaina sy salorana izy hoe "alika mpitsongo-dia" izany. 5 amin'izy ireo dia natokana ho amin'ny fitsirihana zava-mahadomelina ary misy vavy roa sady mpitsongo-dia no fakàna taranaka. Hatreto dia manodidina eo amin'ny 94% eo ny hetsika ahitam-bokany tsara (résulats positifs d'orientation) azo avy amin'ireo alika ireo. Marihina ihany koa fa ny fahazoana mampiasa ireo alika mpitsongo-dia dia miainga avy amin'ny fitoriana na fitarainan'ny olon-tsotra iray iharam-boina, eny amin'ny tobim-paritry ny zandarimaria na polisim-pirenena izay manao ny famotorana. Ireto farany no manetsika ny toby misahana ireo alika mpitsongo-dia ka araka ny fiaraha-miasa dia ny niharam-boina matetika no misahana ny fitondrana ny alika raha lavitra ny toerana hitsongoana dia. Araka izany dia maimaimpoana ny fakàna alika mpitsongo-dia fa ny fitondrasana azy (déplacement ou transport) no andraisana anjara. Nofaranana tamin'ny fahaizamanaon'ireo alika mpitsongo-dia ny lanonana tsotra fanolorana ny fitaovana. Ankehitriny, maminavina ny Mpitantana ny Toby misahana ny alika mpitsongo-dia fa ho asiana sampana iraisam-paritra any amin'ireo tanàn-dehibe manerana ny nosy. Isarorana manokana ny Jeneraly Komandin'ireo Vondron-kery voatokana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT