Toe-draharaha manahirana

Ny jeneraly mitombo isa, ny tany vao miha tsy milamina


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Henjana ny tsy fandriampahalemana saika manerana ny Nosy na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Teto Antananarivo,

sesilany ny asan-jiolahy izay nisy andro atoandro be nanahary, toy ilay nitifirana raim-pianankaviana mpamilina mpandraharaha karana teny Ambodivona ny 16 janoary ; ny fanafihana fianankaviana iray voalaza fa vao nahalafo fiara ka nahafaty raim-pianankaviana iray teny Ampamantanana ny alin’ny 28 janoary ; ny namonoana ilay mpandraharaha mpanakalo vola vahiny tetsy amin’ny Pavillon Analakely ny 31 janoary,… Ny any ambanivohitra vao mainka loza raha tsy hilaza afatsy ny resaka fakana an-keriny ao amin’ny faritra Ankazobe, Anjozorobe, Tsaratanana, ny any amin’ny Faritra Alaotra mangoro, izay heverina fa isan’ny faritra stratejika amin’ny harena an-kibon’ny tany. Io isan’ny nanamarika ny faran’ny herinandro teo ny tranga tany amin’ny Faritra Ambatofinandrahana izay hatramin’ny olom-boafidy no misy mamono amin’ny tifitra variraraka. Marina fa misy ny vokatra, izay isaorana ny mpitandro ny filaminana. Na izany aza azaena tsy voafehy ny tsy fandriampahalemana amin’ny ankampobeny. Miparitaka ny fitaovam-piadiana saika manerana ny Nosy, ahiana ny tsikombakomba avo lenta toy ny fahatafidiran’ny mpanao politika amin’ny tsy fandriampahalemana toy ny raharaha izay nanagadrana an’i Mahery Lanto Manandafy izay ahiana ho misy endrika fampanginana. Na ny tranga teto Antananarivo toy ny fitifirana ilay mpanakalo vola vahiny tetsy Analakely aza manomboka misy manao sarisarin-teny milaza fa nisy mpanao politika naniraka nampamono, ary misy olom-boafidy iray eto Antananarivo misy manonona ankolaka,… Moa tsy lasa an’ny jiolahy sy ny jiolahy politika ary ny dahalo ambony latabatra ny tanàna ? Ny mpanodinkodina volam-panjakana sy mpanao kolikoly manginy fotsiny ! Ara-politika, mihazakazaka ny fizarana galonana jeneraly, isan’ny manana izany betsaka indrindra angamba i Madagasikara eto ambonin’ny tany raha tarafina amin’ny haben’ny Firenena. Tsy arakaraka izay anefa ny fandriampahalemana, resaka ambony latabatra sy pimaso politika, fa indrindra fampiasana ny mpitandro filaminana ho herim-pamoretana no betsaka, hany ka mahatonga ny vahoaka hitsara sy hilaza fa zary lasa mibahan-toerana ilay antsoina hoe : « politisation de l’armée » sy ny « militarisation de l’armée », hany ka toa any amin’ny tombotsoa sy fiarovana ny sezan’ny mpitondra no mihamafy, fa ny vahoaka miha miaina ao anaty horohoro sy fahantrana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT