Fandriampahalemana

Toby kolonely Alphonse Rakotonirainy Famindram-pahefana 3 no tontosa omaly


  • Zoma 20 Oktobra 2017

Tontosa omaly tetsy amin’ny toby kolonely Alphonse Rakotonirainy etsy Soanierana ny fifamindram-pahefana teo amin’ireo lehibena rezimanta miisa telo dia ny hery fiarovana ny aim-bahoaka (Corps de protéction civile) sy ny Bataillon recamp ary ny RTS na ny rezimanta fampitana andraikitra.

 

Ho an’itsy voalohany dia ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina teo aloha (sapeur-pompier), ny kolonely Michel Rabemanantsoa, izay andiany faha-21 teo anivon’ny akademia miaramila no lasa miandraikitra ny fibaikoana. Ho an’ilay faharoa kosa dia ny kolonely Rakotoarisoa Andriantoavina no nisolo ny kolonely Maminiriana Rakotoniaina, izay andiany faha-20 teo anivon’ny akademia miaramila. Ho an’ny RTS moa dia ny kolonely Nisolo Andrianaivohery no nisolo ny jeneraly Jean Claude Rabenaivoarivelo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT