Toamasina

Zaza tsy ampy taona ny ankamaroan'ireo jiolahy


  • Zoma 30 Aogositra 2024

Zaza tsy ampy taona avokoa ny ankamaroan’ireo olon-dratsy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka,

ao Toamasina raha araka ny fantatra. Misy vao 12 taona na 13 taona dia efa manao io asa ratsy io. Ny talata 27 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 8 ora maraina ohatra dia tovolahy kely iray vao 17 taona monja no tratra namaky trano tao amin’ny Fokontany Ambala-manasy carreaux I. Tata Jean Fredo no anarany. Tsy niandry ela ireo fokonolona fa avy hatrany dia raikitra ny vono sy daroka ka mangamanga itsy voalohany mandrapahatongan’ ny mpitandro filaminana. Efa saika leo ny hala-botry sy ny vaky trano hataon’ireo tontakely tahaka izao mantsy ireo mponina any an-toerana noho izy tsy misasatra nefa mitady hitavana ny herim-pon’olona an-taonany maro. Na izany aza mba voasoroka ihany ilay fitsaram-bahoaka saika nitranga.
Pati
Legende : Izy no Tata Jean Fredo, tovolahy 17 taona dia efa mpangalatra gaigilahy sahady. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT