Fandriampahalemana

Toamasina Tratra ireo zaza tsy ampy taona mpisoloky nikoizana


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Tra-tehaky ny Polisin' ny BFP (Brigade féminine de Proximité) Toamasina tany an-toerana ny zazalahy kely tsy ampy taona miisa roa omaly tamin'ny 12 ora rehefa tratra nangarom-paosy sy nisoloky.

Raha araka ny fantatra dia tovolahikely 12 taona no niharan'ny asa ratsin’izy ireo. Nifanehitra tamin'izy roalahy voalaza etsy ambony teny an-dalana moa ity farany ka norahonany. Ny iray naka ny zavatra tao anaty paosiny ary ny iray kosa nandrahona ny mba hanomezana ny finday teny an-tanany. Niantso vonjy ilay tovolahy kely niharam-boina nandritra izany. Tsikaritr'ireo Polisy vehivavy BFP niasa tsy lavitra teo izany raikitra ny fifanenjehana ary noraisim-potsiny izy ireo. Izy roalahy voasambotra ireto dia isan'irony mpisoloky amin'ny resaka finday irony.Ny fanaon'izy ireo indray mandritra izany dia mody mivarotra finday ka rehefa raikitra ny fifampivarotana ary roboka ilay olona dia mody harirarirany ka hataony izay tsy maharaikitra azy. Mandritra izany no hanakalozan’izy ireo baoritra mitovy habe amin'ilay finday ka lasany ny vola nefa ilay finday miova baoritra. Natolotra ny Polisin'ny PMPM izy ireo hanohizana fanadihadiana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT