Fandriampahalemana

Toamasina Tratra ireo saika hamaky tranom-barotra


  • Talata 02 Jona 2020

Lehilahy miisa telo saika hamaky tranom-barotra ana lehibe an’ny tera-tany vahiny iray ao Mangarano no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany voalohany Toamasina ny 28 mey lasa teo.

 

 

 

 Nahazo loharanom-baovao marim-potitra avy amin’olona tsara sitra-po ny polisy fa misy andiana jiolahy mikasa hamaky ny tranom-barotra lehibe iray ao Mangarano. Nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo vao naharay izany loharanom-baovao izany ary nametraka polisy teny amin’ny manodidina niandry ny fihavin’ireo jiolahy. Ny 28 mey tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo ho eo anefa, lehilahy miisa roa no tsikaritry ny polisy nihaodihaody teo amin’ilay tranom-barotra ary niezaka nanokatra ny varavara tamin’ny « barre mine » sy « pince coupante ». Vao nahita izany ny polisy dia tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ka tra-tehaka teo ny iray tamin’ireo jiolahy. Ny iray kosa tafaporitsaka na dia efa nanao tifi-danitra indray mandeha aza ny polisy hanajanonana azy. Nanoloana izany dia tsy nitsahatra nikaroka ity jiolahy tafaporitsaka ity ny polisy. Ny andron’io ihany anefa tokony ho tamin’ny 11 ora alina teo ho eo dia voasambotra teo Mangarano ity jiolahy tafatsoaka ity niaraka tamin’ny naman’izy ireo izay mpiray tsikombakomba tamin’izao asa ratsy izao ihany. Rehefa nohadihadiana moa ireto jiolahy ireto dia fantatra fa efa mpiambina tao amin’ity tranombarotra ity ny iray tamin’izy ireo saingy efa voaroka ny 15 mey lasa teo. Samy niaiky ny heloka nataony avokoa izy ireo.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT