Fandriampahalemana

Toamasina Tratra ireo mpanafika Cash Point


  • Talata 13 Oktobra 2020

Lehilahy miisa roa isan’ny tompon’antoka amin’ny resaka fanafihana matetika miseho tao Toamasina no tratra ny 09 oktobra teo.

 

 

Nandritra ny fisafoana teny amin’ny faritra Tanambao akaikin’ ny tobim-piantsonana no nahatsikaretan’ny mpitandro ny filaminana azy ireo nipetraka teo ambony moto. Vao nahita ireo polisy nanakaiky anefa izy roalahy dia nandositra ka raikitra ihany koa ny fanenjehana ary tsy lavitra teo dia tratra izy ireo. Rehefa nosavaina ireto olon-dratsy ireto dia nahitana basy poleta iray teny amin’izy ireo ka nentina natao fanadihadiana tany amin’ny birao avy hatrany. Fantatra nandritra izany fa anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanafihana « cash point » iray vao tsy ela akory tao Toamasina izy roalahy ireto.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT