Fandriampahalemana

Toamasina Tra-boina ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana


  • Talata 09 Janoary 2018

Ao anatin’ny lisitry ny tra-boina ihany koa taorian’ny rivo-doza “AVA” ny mpitandro ny filaminana, ahitana ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy; isan’izany koa ny fitsarana manana sampana telo ao Toamasina.

 

 Potika hatramin’ny 80% ny trano sy ny tobin’ny zandary sy ny miaramila eto Toamasina, eo amin’ny 60% kosa ny an’ny polisy izay nahitana ny birao fanaovana fanadihadiana sy ny tranon’ny talen’izy ireo, ary toraka izany koa ny an’ny fitsarana. Miteraka olana anefa ireto maha-tra-boina ny mpitandro ny filaminana ireto satria tsy milamin-tsaina amin’ny tokantranony ireo olombeny amin’ny asa ataony ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; misy fahasimbana noho ny orana sy ny rano koa ireo antontan-taratasim-panadihadiana sy antotan-taratasim-panjakana, tahaka izany koa ny eo anivon’ny fitsarana izay hiditra hiasa taorian’ny fialan-tsasatra ny krismasy sy ny taom-baovao teo ny 15 janoary teo, sy ny fotoam-pitsarana hanomboka ny volana febroary izao.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT