Fandriampahalemana

Toamasina Tokantrano roa niara voatafika


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Manomboka miverina indray ny tsy fandriampahalemana raha toa ka somary voafehy izany tato ho ato.

 

 

Tokantrano roa no nisehoana fanafihana tao Salazamay Toamasina, omaly 3 aprily, tamin’ny 1 ora maraina. Jiolahy nisaraon-tava miisa telo nirongo antsy lava sy basy no nanao izany asa ratsy izany. Norahonan’izy ireo ny olona tao an-trano mba tsy hihetsika. Lasan’izy ireo tamin’izany ny TV écran plat iray tao amin’ny tokatrano iray, ary lelavola 20.000 ar sy finday kosa tao amin’ilay tokantrano iray hafa, izay tsy nisy afa-tsy renim-pianakaviana iray. Ankoatra ny adin-tsaina sy ny horohoro ateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Coronavirus dia mbola manampy trotraka indray koa ny asan-jiolahy sy ny fanafihana isan-karazany izany ao Toamasina.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT